Dia hoy i Jesoa: “Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra torovana sy vesaran’ny lalàna, fa Izaho no hanome fialan-tsasatra anareo.”

 Tongasoa eto amin’ny tranonkalan’ny Fiangonan’ny Apôstôly.

Manasa anao izahay hitsidika mivantana na amin’ny serasera ampitaindavitra (amin'ny teny anglisy) isaky ny Alahady maraina amin'ny 10:00 (14:00 UTC).

baobab trees.jpg

Hazo baobaba, Madagaskar

Baobab trees, Madagascar (Travel Triangle)

Heni-kaja mihitsy izahay noho ny maha-mpikambana anay tato anatin’ny fiaraha-monin’i Fairfax efa mihoatra ny 50 taona izao, ary finaritra ery noho ny adiresy vaovao misy anay: 11717 Lee Highway. Tianay ny hilaza zavatra vitsivitsy aminao amin’ny fiteninao.

Mandalo fotoan-tsarotra isika eo amin’ny tantaran’ny firenentsika sy izao tontolo izao. Aretina, ady, fikorontanana eo amin’ny fiaraha-monina, manjavozavo ny tontolon’ny toe-karena sy ny politika — ireo rehetra ireo dia mety hahatonga antsika hatahotra, ho very fanantenana, hahatsiaro tena ho irery, hitady valiny ho an’ny fanontaniantsika. Noho isika mpanaraka an’i Jesoa Kristy dia mino isika fa Andriamanitra dia manana ny valiny rehetra ho antsika satria dia lehibe noho ireo olana rehetra ireo Izy. Manome toky Andriamanitra fa raha miala amin’ny fahotantsika isika ka manaraka Azy dia hamela antsika Izy ary handray antsika ho eo anatrehany. Tsy midika akory izany fa ho mora ho azy ny fiainana, fa isika kosa hanana fiadanana izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra. Tsy fombafombam-pivavahana akory ity, ary tsy natokana ho ana kolontsaina na foko manokana, fa fifandraisana manokana amin’Ilay Raintsika any an-danitra izay tena tia antsika.

Raha tianao ny hahalala bebe kokoa momba izany (amin'ny teny anglisy) dia antsoy amin’ity laharana ity izahay 703-591-1974 na koa tsindrio ny iray amin’ireto rohy ireto: “LEARN MORE” na “LET’S CONNECT”. Ho finaritra mihitsy izahay hitafa aminao.

Ny Baiboly amin'ny teny Malagasy

Ny Jesus Film amin'ny teny Malagasy